Toky fitaka - Jovial

Поделиться
HTML-код
  • Опубликовано: 10 апр 2025
  • Hira malagasy fahiny arahina vues aeriennes sy drone
    Village et Foret - Zurich - Suisse
    Ry noheveriko bonaika, namborahako fitia
    Hay diso paika ny fitiavako satria
    Ianao ilay tiana nantenaina no mikendry handatsaka aina
    Miseho ho sariaka kanjo joko mitsoriaka
    Izato ianao mba ahoana no sahy mamelively foana
    Ny toky nomena hay ankoso-bolamena
    Mpanodinkodina ny marina mba ho sarotra fantarina
    Fatra-pivazo hay mpitety voninkazo
    Refrain: (2 fois)
    Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
    Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misitaka
    Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto antany
    Fa mbola misy ihany any hoany
    Dia niseho ho tena tia ka niangolangola ery
    Ny fitia najoro, hay fitiavana nandoro
    Ny fihetsika hafa kely, mafy indry ry kiala kely
    Saingy tsy hamakiako loha velively
    Dia mba mody ho mpiasa be hay fatsora gaigy be
    Mampitondra faisana ilay fitia izay niraisana
    Ka nijaliana avokoa, mafy ianao randriamatoa
    Fa saingy tsy hivadiako atidoha
    Refrain…
    Ireny fanomezantoky ireny, sady feno lokaloka
    Hay ve ka teny izay natao mba hanodoka
    Sy anjonoana izany foko hibaby tanambokovoko
    Nomena toky hay fitiavana boloky

Комментарии •